Actualités

Minisitra Paul Rabary « Tsy misy fampianarana maimaimpoana izany »


  • Alatsinainy 30 Novambra 2015

Tsy misy fampianarana maimaimpoana izany, hoy ny minisitra Paul Rabary raha nivahiny tao amin’ny Televiziona Malagasy ny tenany, fa fanamaivanana ny fahasahiranana no azo atao.

 

 

 

 Eo, ohatra, ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra, ny fametrahana ny cantine scolaire, ny fandraisan’ny fanjakana ho mpiasa raikitra ireo mpampianatra FRAM. Tsy maintsy miara-miasa sy mifanampy ny telo tonta dia ny fanjakana, ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ireo mpamatsy vola, hoy hatrany ny minisitry ny fanabeazana. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina anefa no nilaza ho ren-tany ho ren-danitra fa hezahana ny hampiditra an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra ary atao maimaimpoana ny fampianarana amin’ny sekoly ambaratonga fototra an’ny fanjakana, tamin’ny kabary voalohany nataony amin’ny maha filohan’ny repoblika azy ny 25 janoary 2014. Roa taona latsaka kely aty aoriana izany dia nandiso tanteraka io fanambarana io ny minisitra Paul Rabary ary nanamafy fa tsy maintsy misy foana ny vola aloan’ny ray aman-dreny fa tsy misy lanjany, hono, izany fampianarana maimaimpoana izany.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT