Actualités

Minisitra Paul Rabary Efa mivoaka ny karaman’ireo mpampianatra FRAM


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Tara enim-bolana ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra FRAM rehetra manerana ny nosy, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary teo anoloan’ny mpanao gazety omaly, satria nanomboka ny vola mey 2015 izy ireo no efa tsy nandray karama.


 Ny antony dia miandry ny fandanian’ny solombavambahoaka ny lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana (LFR) 2015. Ankehitriny satria efa ela loatra izany enim-bolana izany ary maika loatra ny filana  dia nangataka famindram-po tany amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola izahay ka  efa mivoaka ny «subvention  an’ireo mpampianatra FRAM ireo. Mikasika ny lisitr’ireo horaisina ho mpiasam-panjakana indray dia nambarany fa misy fandaminana satria miainga avy any amin’ny Faritra ireo lisitra ireo ary hiarahana amin’ny sendika sy ny minisitera ny mamoaka azy ka hisy 10 000 hivoaka alohan’ny faran’ity taona ity ary hisy 10 000 koa amin’ny taona ho avy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT