Actualités

Minisitra Manoro Régis «Tsy mahazaka olona intsony izany Raharovoatra Claude izany»


  • Talata 08 Janoary 2013

Samy nanana ny fomba nanatontosany ny tolona ny SEMPAMA izay niverina nitokona nanomboka omaly alatsinainy 07 janoary 2013.

 Araka izany dia nisy ireo mpampianatra nijanona tao amin’ny toeram-piasany ihany fa tsy nampianatra, nisy koa anefa ireo nifamotoana teny an-kianja, hoy Raharovoatra Claude, filohan’ny SEMPAMA raha nanao tatitra ny zava-misy manerana ny Nosy. Ho an’ny Minisitra Manoro Régis dia tsy mahazaka olona tahaka ny taloha intsony izany Raharovoatra Claude izany sady efa vita rahateo ny fifanarahan’ny ministera sy ny SEMPAMA “ara-dalàna” dia ny SEMPAMA Nosy izany. Fomba fiady mampihomehy no fandraisan-dRaharovoatra Claude ity resaka ity satria tsy maty tahaka izany fotsiny ny tolona sendikaly. Raisina ho mpisandoka koa ankoatra izay ilay SEMPAMA “bis” izay tsy sahy manonona ny anarany mazava akory rehefa miseho amin’ny haino amanjerim-panjakana. Niaiky kosa anefa ny tenany fa nihanalemy tsy tahaka ny teo aloha ny hetsika satria ny karama famelom-bady aman-janaka mihitsy no tapaka.

Momba izay resaka karama izay indrindra dia ampahany vitsy monja amin’ireo 160 mianadahy namoahan’ny ministera fanapahan-kevitra manokana ny famerenana azy tamin’ny 14 desambra teo no naharay izany ara-dalàna. Raha ny tatitry ny SEMPAMA dia karama volana desambra ihany no azo tamin’ny faran’ny teo raha nolazaina fa anaovana “rappel” ny volana aogositra hatramin’ny novambra. Tsy azo intsony kosa ny karama volana jolay noho ny “Position d’Absence sans Soldes», izany hoe vokatry ny tsy fiasana mihitsy tamin’io fotoana io. Mbola mafy noho izany kosa no nahazo ireo mpampianatra FRAM nitokona izay niharan’ny fandroahana tanteraka. Nanamafy ny minisitra Manoro Régis fa tsy mahazo famerenana karama avokoa akory izy 168 notapahana karama satria mbola misy miziriziry ka handraisana fepetra hafa mihitsy. Tsy antony avy amin’ny Ministera fa noho ny halaviran-tany sy ny fomba fiasan’ireo tambajotra mandoa ny karama toy ny OTIV na ny Paositra kosa no mahatonga ilay fahatarana. Nasaina nanara-maso akaiky tany amin’ny Ministeran’ny vola ny fizotry ny famoaham-bola io mihitsy ny filohan’ny SEMPAMA Nosy raha ny fanazavany hatrany.

Raha ny filazan’ny filohan’ny SEMPAMA ihany dia tsy vitan’ny tsy mitana ny teniny ny ministera raha nanome toky momba ny famerenana ny karama tapaka fa vao mainka manapatra fahefana. Sazy henjana raha ny voalazany no miandry ireo tomponandraikitry ny fampianarana isan’ambaratongany toy ny «Chef d’établissement», ny Cisco ary ny DREN raha toa ka misy mpampianatra mitokona ao amin’ny faritra iadidiany araka ny teny midina nalefa omaly.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT