Actualités

Minisitra Manoro Régis Nandrindra fihavanana tamin’ireo mpanabe


  • Talata 09 Oktobra 2012

Nifarana omaly alatsinainy 08 oktobra tao Ambositra ny fitetezam-paritra nataon’Atoa Manoro Régis Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny mpiara-dia taminy tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

 Nambarany fa nanao izay fomba tsy hisian’ny olana intsony amin’ity taom-pianarana vaovao ity no anton-diany. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpampianatra tao Amoron’i Mania ny tenany noho ireny disadisa nisy teo aloha ireny ka nandrindra fihavanana teo amin’ny Minisitera sy ny mpanabe. Nahomby ny fitsidihana nataony tao Amoron’i Mania, araka ny nambarany, ka nananany fanantenana fa hizotra araka tokony ho izy amin’izay ny fampianarana amin’iny Faritra iny manomboka izao. Tsy hisy intsony ny fitokonan’ny mpampianatra, hoy izy satria tsy mandeha ny fitokonana raha tsy misy ny mpampianatra, nefa efa vonona hampianatra avokoa izy ireo, araka ny tatitra azony. 

Mikasika ny fanoloana ireo lehiben’ny Cisco sy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena dia nilaza ny minisitra Manoro Régis fa ireo nametra-pialana no nosoloina dia ny tany Fandriana sy tao Manandriana izay vao nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny naoty nanendry an’Atoa Ramiandrisoa Tsaramahefa Daniel Filohan’ny SEMPAMA tao Amoron’i Mania no voatendry ho Lehiben’ny Cisco ao Manandriana. Marihana fa samy namoaka ny heviny malalaka tamin’ity tompon’andraikitry ny fanabeazana ity avokoa ireo mpanabe tonga marobe nihaona taminy isaky ny misy dinik’asa manerana ny Cisco efatra tao Amoron’i Mania.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT