Actualités

Minisitra iray tamin’ny tetezamita Nifanenjeha tany Saint Augustin – Toliara


  • Talata 28 Aprily 2015

Minisitra iray tamin’ny tetezamita no nifanenjehan’ny mponina tany Saint-Augustin Toliara. Nitifitra vorondrano antsoina hoe «flamant rose» maromaro izy tamin’ny 19 aprily lasa iny, nefa vorona arovana noho izy ahiana ho lany tamingana ary anisan’ny mahasarika mpizahatany ho avy any an-toerana ireo

 

, ka mahasarotiny ny zanatany any. Nanofa sambokely tamina teratany vahiny izy nentina nihaza ireo vorondrano ireo. Nandrahona ny handroaka an’io teratany vahiny io hiala avy hatrany an’i Madagasikara io minisitra io raha misy mikasa hitory azy. Tsy nanaiky lembenana anefa ny mponina zanatany. Hany heriny dia nandoa iray hetsy Ariary ilay minisitra teo aloha ho fanonerany ny hadisoany. Nogiazan’ny olona ka nifampizaran’izy ireo koa ireo voro-maty. Tsy vao sambany io minisitra io no nitsofoka ka nandravarava tamina faritra arovana toy io. Tany Moramanga dia nitifitra ragidro tany anaty faritra arovana, tantanina VOI (Vondron’olona ifotony) ihany koa ity minisitra teo aloha ity. Tsy vitan’izany fa nampidiriny “violon” mihitsy satria nandrara azy. "Tsy mahafantatra ahy angaha ianareo", hoy izy mantsy ilay olona. Tsy nanaiky lembenana ihany koa anefa ilay mpikambana VOI koa dia navotsotra haingana avy eo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT