Tontosa omaly teny Antaninarenina ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny vola teo aloha Rakotoarimanana Gervais sy ny vaovao Sehenosoa Vonintsalama Andriambololona
. Nambaran’ity farany fa vonona hanohy ny asan’ny minisitra nosoloiny toerana izy ary hiezaka hanao izay tratry ny heriny. Minisitra vehivavy voalohany hitantana ny minisiteran’ny vola sy tetibola (MFB) eo amin’ny tantaran’i Madagasikara i Sehenosoa Vonintsalama Andriambololona, manampahaizana momba ny fitantanana izy, ary manana mari-pahaizana ambony toy ny “Maitrise es Sciences économiques” teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo ny taona 1977, “Diplome d’inspecteur du trésor” tao amin’ny ENST-Marne-La-Vallée-France ny taona 1984. Tsy olom-baovao eo anivon’ny minisitera iadidiany sy ny fitantanana ny volam-panjakana fa efa Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana (1996-2003), sekretera jeneralin’ny MFB (2009-2015). Ampahany ihany ireo fa maro ireo sehatr’asa sy andraikitra niantsorohan’ity minisitra vaovao ity. Sambany teo amin’ny tantara kosa ny nanendrena vehivavy ho amin’io toerana ambony sy andrin’ny firenena io. Amin’ny maha vehivavy azy ao anatin’ny governemanta sy amin’ny maha minisitry ny mponina azy, dia niarahaba manokana ity tompon’andraikitra vaovao ity tamin’ny anaran’ny departemanta tantaniny sy tamin’ny anaran’ny tenany manokana ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Onitiana Realy. Marihina fa miisa 7 amin’izao ireo minisitra vehivavy ao anatin’ny governemanta. Tsy mitsahatra kosa ny ezaka sy ny fanentanana ataon’ny minisiteran’ny mponina amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy, mba hiditra an-tsehatra amin’ny fandraisana an-tanana ny hoavin’ny firenena, toy ny fidirana an-tsehatra amin’ny politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.