Actualités

Minisiteran’ny fitsarana Tompon’andraikitra ambony 4 nesorina


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Azo itarafana ny savorovoro misy eo amin’ny fitantanana ny firenena ireo fanapahan-kevitra noraisina omaly hariva nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha.

 

Nisy ny fanesorana sy fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Noho ilay ahiahina kolikoly teo anivon’ny sekoly mpanofana mpitsara aloha dia nosoloina vaovao ny tompon’andraikitry ny vola eo anivon’ny ENMG ka Atoa Andrianaho Njaka Lalaina no hisahana izany manomboka izao. Atoa Camara Didier Djibril no voatendry ho tale jeneraly vaovaon’ny fandraharahana ny fonja, azo antoka fa voaroaka noho ny raharaha fitsoahana gadra maromaro tato ho ato izay ny tale jeneraly teo aloha. Voaongotra tamin’ny toerany ihany koa ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony  Rakotonavalona Ranary Robertson. Nesorina tamin’ny toerany ihany koa Atoa Randrianantenaina Modeste ary Atoa Rajaona Andriamanankiandrianina no voatendry ho filoha voalohany vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony. Izany hoe tompon’andraikitra ambony manana ny maha izy azy miisa 4 no indray voaongotra teo anivon’ny fitsarana nandritra ity filankevitry ny minisitra omaly ity. Azo antoka fa misy fifandraisana amin’ny raharaha Arfa Houcine ihany koa izao trangan-javatra izao. Eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany kosa dia voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Etazonia Atoa Andriamihajamananirina Robson Eric.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT