Actualités

Minisiteran’ny fahasalamana Misy tsy milamina


  • Talata 13 Martsa 2018

Niely ny vaovao hafahafa omaly, fa nametra-pialana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Dr Joséa Ratsirarson. Rehefa natao anefa ny fanamarinam-baovao, dia diso tanteraka io resaka niely io.

Naka fialantsasatra na “congé” fotsiny ingahy SG, fa tsy misy  fametraham-pialana izany velively. Inona no tanjona tamin’ny fanelezana ity tsaho ity ? Natao hanaratsiana na hanenjehana io tompon’andraikitra io tsotr’izao ve sa misy ambadika hafa mihitsy? Sa kosa misy zavatra tsy milamina ao anatin’ny minisiteran’ny fahasalamana, ka mivoaka ny tsaho sy fanakorontanana saim-bahoaka tahaka izao ? Tsy hay aloha na misy hifandraisany amin’ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny Bianco ny 21 febroary lasa teo ity fanelezana vaovao tsy marina momba ny fialan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera ity. Nambaran’Atoa Jean Louis Andriamifidy tamin’io fotoana io mantsy ny fisian’ny fitarainana nataona olona tsy mitonona anarana mikasika ny fanodinkodinana tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny vaksiny. Araka io taratasy voarain’izy ireo io, dia 600 000 ny vaksiny no nolazaina fa maty na “périmé”, izany hoe tsy azo hampiasaina intsony, mba hahafahana manodinkodina ny vola entina hanaparitahana izany fanafody izany. Zaza Malagasy 600 000 tokony hahazo vaksiny izany no tsy nahazo noho ny fanodinkodinana izay natao, hoy hatrany ny Lehiben’ny Bianco. Efa miroso amin’ny fanadihadiana io raharaha io izahay sady miandry ny tatitra avy amin’ny firenena maromaro  namatsy an’i Madagasikara ny vaksiny, hoy izy nandritra io. Andrasana ny tohin’ny raharaha.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT