Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra omaly. Isan’ireny ny Sekretera Jeneraly Dr Ratsirarson Joséa, izay efa nisy ny tsaho niparitaka ny fiandohan’ny herinandro, fa nametra-pialana ny tenany, saingy nandisoiny izany. Noterana niala ve izy fa tsy nety?
Toa manamafy hatrany ny resaka notaterina teto andro vitsy izay ity fanalana olona maromaro tampoka ity, fa misy tsy milamina ao. Isan’ny nesorina ihany koa ny Talen’ny sampan-draharaha momba ny ady amin’ny aretina tsy mamindra, ny Talen’ny Sampan-draharaha momba ny ady amin’ny aretina raboka, ny Tale momba ny fanapariahana ny vaksiny, ary Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga. Tsiahivina fa efa nisy ny tatitra nataon’ny Bianco lehiben’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy ny 21 febroary momba ny fisian’ny fanodinkodinana vaksniny 600 000 tsy azo ampiasaina intsony nolazaina fa maty na “périmé” mba hahafahana manodinkodina ny vola entina hanaparitahana izany. Misy hidiran’io resaka io ve ity fanalana tompon’andraikitra ambony miisa 5 ity sa antony hafa mihitsy? Sa kosa feno ny porofon’ny Bianco momba ny kolikoly, ka misy amin’izy ireo no hohenjehina sy hanaovana fanadihadiana? Andrasana ny tohiny!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.