Actualités

Minisiteran’ny Vola Hohatsaraina ny fandoavana ny fisotroan-dronono


  • Zoma 06 Novambra 2015

Hampitomboina ny mari-bola harotsaka ao amin’ny kitapom-bola andoavana ny fisotroan-dronono manomboka izao.

 


 

 Raha  97 miliara ariary  izany tamin’ny  taona 2013, dia  kasaina hiakatra hatrany  amin’ny 250 miliara ariary manomboka  izao. Ny mba ahafahana mandoa ny fisotroan-drononon’ireo  zokiolona tokony hisitraka izany no mahatonga  izao ezaka izao. Io no fantatra  nandritra ny valandresaka nataon’ny tale  jeneralin’ny fitantanana  ara-bola sy ny  mpiasam-panjakana omaly   teny  amin’ny  minisiteran’ny  Vola  sy ny  Tetibola. Ankoatra izay  anefa dia  hisy ihany  koa ny  fanavaozana  ny karatr’ireo mpandray  fisotroan-dronono ka  hisy ny fepetra  horaisina mba ahafahana  mamantatra tsara ireo  zokiolona  tokony hisitraka izany  sy  ireo izay  mety ho mpisandoka ka zary lasa vesatra amin’ny  teti-bolam-panjakana fotsiny. Ho an’ireo mpandray  fisotroan-dronono  ary dia entanina izy ireo hitondra ny  kara-panondrony sy ny karatra fandraisany ny fisotroan-drononony teo  aloha manomboka  izao fa hosoloina izany.

Fanaraha-maso

Ho an’ireo  mpitondra fahazoan-dalana misolotena  ny  mpisotro ronono indray dia entanina  izy ireo hitondra  taratasy fanamarinam-pahaveloman’ilay  mpandray  fisotroan-dronono sy taratasy  vaovao  manome  alalana ilay  olona indray. Ho an’ireo  mpandray volan’ny kamboty indray  dia mitondra taratasy  manamarina izay  maha kamboty izay   miaraka  amin’ny  taratasy fanamarinam-pahaterahana. Ny  tsy firindran’ny fandoavana ny latsakemboky ny mpisotro ronono  ara-dalàna nanomboka ny taona 1998  no niteraka tsy fifandanjana intsony  eo amin’ny  latsakemboka miditra sy  ny filan’ny kitapom-bolan’ny  hetra intsony. Ilàna fanaraha-maso  manokana izany, hoy ny avy amin’ny  minisiteran’ny  Vola sy ny Tetibola ka  manomboka  amin’ity  volana ity dia  hisy  mpiasan’ny minisitera  hanara-maso eny amin’ireny toerana  fandoavana fisotroan-dronono ireny.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT