Tsy nisomonga ny farimbon-tsendikalin’ny mpiasan’ny Jirama tarihan’i Oliva Andrianalimanana fa niroso avy hatrany tamin’ny fanapahana ny jiron’ny minisiteran’ny rano etsy Ambohijatovo omaly tolakandro rehefa tapitra ilay fe-potoana 72 ora nomeny.
Nizotra teny Ampandrianomby misy ny minisiteran’ny angovo indray izy ireo avy eo. Nilaza ny tompon’andraikitra tao fa voaloa ara-dalàna ny jiro sy ny rano. Mitaky porofo an-taratasy momba izany ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama ary milaza ny hiverina eny anio, ka raha tsy misy taratasy mazava ara-dalàna dia hanapaka jiro sy rano avy hatrany. Mbola ho avy koa ny an’ny minisiteran’ny vola etsy Antaninarenina sy ireo sampandrahaham-panjakana tsy mpandoa jiro sy rano. Ananan’ny Jirama 131 miliara Ar ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana manerana an’i Madagasikara, hoy i Oliva Andrianalimanana ka ho hentitra izy ireo ary hitaky ny tsy maintsy hanefana io vola be io. Tsy nahitam-bahaolana moa hatry ny omaly ny teboka 8 amin’ireo 17 nifampidinihan’ny mpiasan’ny Jirama sy ny mpitantana ny orinasa taorian’ny fanelanelanana nataon’ny sampandraharaha mpanara-maso ny asa. Ny «Conseil d’arbitrage» indray no fantatra fa handinika ny raharaha ka hamoaka didim-pitsarana. An-kilan’izay, nandeha be ny resaka omaly hariva fa mety hosamborina ireo lohandohan’ny mpisorona mitarika ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama taorian’izao fanapahana ny jiron’ny minisiteran’ny rano izao izay tantanan’ny minisitra miara-dia amin’ny HVM moa.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.