Actualités

Minisiteran’ny mponina Tokantrano ana hetsiny misitraka “Vatsin’ankohonana”


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Taorian’ny fahataperan’ny taom-piasana 2016, dia misy ny tomban’ny asa vita ho an’ny minisiteran’ny mponina, izay tarihin’ny minisitra Onitiana Really.

 

 Sady taom-pamafazana iny taona lasa iny no taom-piotazana ho an’ity minisitera ity, satria maro ny vokatra azo tamin’ny fifandresen-dahatra sy fitadiavana fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpamatsy vola, mba hikatsaham-bahaolana manoloana ny olana ara-tsosialy eto Madagasikara. Nanombohana izany ilay tetikasa “vatsin’ankohonana”, izay misy famatsiana mahatratra 40 miliara dolara, ka ny 11,5 miliara tamin’ireo no nisantarana izany, ary distrika miisa 7 no nanombohana azy, ka i Betafo no nisantarana azy ny taona 2014 ary nanaraka azy i Toamasina II, Mahanoro, Betioky Atsimo, Vohipeno, Ambohimahasoa, Faratsiho, tamin’iny taon-dasa iny. Kaominina miisa 69 ahitana tokantrano 39 746, izay misy olona 198 730 no misitraka fanampiana ara-bola manodidina ny 20 000Ariary ka hatramin’ny 30 000Ariary isan-tokantrano isaky ny 2 volana ao anatin’ny 5 taona. Anisan’ny nifantohana betsaka ny famahana ny olana any Atsimon’ny nosy noho ireo olona maro sosona toy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hain-tany any an-toerana, ka tokantrano miisa 65 000 ahitana olona hatrany amin’ny 325 000 no misitraka fanampiana mitentina 35,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Mifanindran-dalana amin’ny vatsin’ankohonana ilay tetikasa “Ndao hianatra”, ka mpianatra avy eny amin’ny ambaratonga fototra miisa 2 968 no mahazo fanampiana ara-bola mitentina 10 000Ariary isam-bolana, raha toa ka mpianatra miisa 8 400 eny amin’ny ambaratonga faharoa misitraka 20 000 Ariary ho an’ny eny amin’ny ambaratonga faharoa, izay samy maharitra 3 taona avokoa. Raha ny tombana ankapobeny dia faritra 7 ahitana distrika 12 sy kaominina 108 no efa misitraka ny vatsin’ankohonana amin’izao fotoana izao, ka mahatratra 104 746 ny tokantrano mahazo fitsinjovana manokana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT