Hiompana amin’ny fitsirihana manokana irony antsoina hoe mpiasa matoatoa irony ny tetikasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny minisitra Paul Rabary, tetsy amin’ny biraony tetsy Ampefiloha omaly.
Na ireo mpampianatra izay tsy mameno ny orany ara-dalàna fa mbola lasa manenjika fampianarana any amin’ny tsy miankina, hoy izy. Na ireo mpiasa eo anivon’ny minisitera sy ireo sampan-draharaha mifampiankina aminy, toy ny DREN sy ny Cisco izay tsy mameno ny ora fiasan’izy ireo ihany koa dia tsy maintsy ho jerena izay vahaolana sy fepetra manadrify ny zavatra ataon’izy ireny. Ankoatr’izay moa dia nilaza ihany koa ny minisitra fa dia mbola ady sy tolona ny fandoavana ireo saikiny (subvention) an’ireo mpampianatra sy mpiasa tokony hisitraka izany satria dia misy fotoana 16 volana izany tsy azon’ireo tokony hahazo azy ihany. Toy izany, ihany koa, hoy izy ny eo amin’ny resaka tambin-karama izay samy ho ezahin’ny minisitera avokoa ny hitady ny vahaolana tandrify azy ireny.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.