Voaporofo indray tamin’ny savorovoro niteraka faty olona tany Mananjary fa tany tsy milamina ny eto Madagasikara. Efa tena masaka ao an-tsain’ny mponina ny resaka fitsaram-bahoaka.
Tsy manana hevitra hafa ankoatra ny fitifirana amin’ny bala tena izy ihany koa ny zandary, tahaka ny hoe tsy nianatra ny mandamina sy mandresy lahatra olona fa tsy maintsy mampiasa fitaovam-piadiana foana. Amin’izao andro efa sarotra sy manahirana izao ihany koa dia hita matetika fa masiaka ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana, ka mety noho izay no mahatonga ny olona romodromotra sy manao ny tsy fanao. Tsy tokony hahita vahaolana mahomby sy maharitra amin’izay ve ireo be galona eto amintsika fa tsy hamono afo sy hifona ary hanambitamby foana isaky ny mamono olona ny zandary na ny polisy na ny miaramila ? Mila dinihana tsara izay afaka mitazona basy amin’ireo mpitandro ny filaminana ireo fa toa misy tsy mahazaka an’izany mantsy ka maika ny hitifitr’olona fotsiny. Mazava koa izao fa tena ilaina ny fampihavanam-pirenena ary tena mila ampihavanina ny vahoka sy ny mpitandro filaminana, ny vahoaka sy ny fitsarana, fa any no fototry ny olana mahatonga ny fitsaram-bahoaka miha mahazo vahana. Tsy mahatoky ireo rafitra ireo intsony ny olona. Misy koa anefa ny manararaotra ka izay no tokony hikarohan’ny fanjakana vahaolana haingana fa raha miparitaka amin’ny faritra manerana ny nosy io fifandirana na fifandonana matetika amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminna io dia…ho raikitra eto ihany ny ady an-trano e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.