Hatairana ny an’ireo tsy mpanara-dalŕna amin’ny fikatonan’ny trano fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, fa nanaovan’ny FIP Toamasina sy ny FIP Antananarivo be midina ny trano fisotroana izay misy trano fidorohana mihitsy, tao amin’ny gare rouričre sy ny manodidina an’i Tanambao V.
Fikoropahana ny an’ireo mpivoaka alina nahita izany, teo koa anefa ireo miseho ho mafy loha, ka voatery nanao tifi-danitra fanairana ny polisy. Nisy koa ny fisavana kara-panondro sy ny mombamomba ireo mpivoaka alina ireo.
Nambaran’ny FIP Antananarivo izay notarihan’ny komandany fa “tsy azo ekena ny tsy filaminana be loatra ankehitriny ao Toamasina. Mirongatra koa ny fanafihana mitam-basy amin’ny kalaky sy basy poleta”. Ny FIP Toamasina izay notarihan’ny komandany ihany koa, dia nanambara mazava fa “efa ela no nanaovana izao hetsika izao, saingy nohamafisina ilay izy, satria efa tena sahy sy mihantsy loatra ny jiolahy ankehitriny. Iarahana mahalala ihany koa fa maro ny resaka tsy filaminana nitranga teto Toamasina izay, ny fahamaizan’ny tsena, ny kidnapping”. Ankoatra izay, dia tsy hitsitsy izay tratra sy efa tafiditra amin’ny lisitra mena ny mpitandro ny filaminana izy ireo araka ny nambaran’ireo roalahy komandan’ny FIP ireo, fa dia hanao ny asa fitandroana ny filaminana marina sy hanafay ireo izay mitady handrava indray ny fananana kelin’ny mponina izay efa trotraky ny krizy sy ny fivelomanana ankehitriny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.