Actualités

Mihavitsy ny omby 60 kamiao isan’andro no mivoaka ao Ihosy


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Ahiana tsy hisy omby intsony eto amintsika afaka dimy taona, hoy Rabetsara Lita, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC. Mety hiakatra 40.000 Ar ny iray kilao afaka dimy taona ka hifampitadiavana indray ny masikita…

Antony hitarika izany ny fisian’ireo omby amina kamiao marobe mivoaka isan’andro eto amintsika alefa haondrana any ivelany. Anisan’izany ny amin’ny distrikan’Ihosy izay nomarihiny manokana fa mahatratra 60 kamiao isan’andro. Amin’ny alina, hoy hatrany Rabetsara Lita, no hamoahana ireo omby ireo raha voarara tanteraka miaraka amin’ny  hazo amin’ny kamiao. 10 kamiao isan’andro kosa ho an’ny distrikan’i Mampikony raha mbola mihoatra lavitra noho ireo ny any amin’ny distrikan’i Vohemar, Faritra SAVA izay tsy hanavahana intsony na omby vavy na zanak’omby. Raha ny fifanarahana nifanaovanay tamin’ny ministry ny fiompiana teo aloha anefa, hoy Rabetsara Lita dia  hampitomboina ny fampiterahana ny omby, antony nanakatonana ny abatoara teny Vontovorona. Miantso ny fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny ity filohan’ny RNDC ity, indrindra fa ny minisitry ny fiompiana Rivo Rakotovao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT