Miharitra hatrany ny ranon’Ikopa taorian’ny tsy nisian’ny ranon’orana intsony.
Ho an’ny etsy Tanjombato manokana dia efa azo handehanan-tongotra mihitsy ilay ranobe tsy azo niampitana lakana teo aloha ka saika tonga manararaotra maka trondro eny an-toerana avokoa ireo mponina manodidina. Mitobaka ny trondro araka izany raha eo ihany koa ny amalom-bandana izay mahatratra hatrany amin’ny 9 kg ny iray. Misedra olana kosa anefa ireo mpanasa lamba satria tsy afaka miasa toy ny teo aloha intsony izy ireo noho ny tsy fisian’ny rano. Ankoatra izay dia maloto ihany koa ny rano ka na ireo mpanasa fiara aza tsy mahita aleha intsony. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ity faharitan’ny ranon’Ikopa ity araka izany ireo mponina eny Tanjombato.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.