Namoaka fanambarana ho an’ny mpanjifa amin’ny tokony hitsitsiana ny rano ny orinasa Jirama manoloana izao tsy fisian’ny rotsak’orana izao.
Namoaka fanambarana ho an’ny mpanjifa amin’ny tokony hitsitsiana ny rano ny orinasa Jirama manoloana izao tsy fisian’ny rotsak’orana izao. Ampirisihina mihitsy ny rehetra mba hampihena ny fandaniana azo leferina toy ny famenoana dobo filomanosana, fanondrahana zaridaina, fanasana fiarakodia…satria efa tena loza mihatra izao hain-tany izao. Entanina ihany koa ny olona mba hampahafantatra avy hatrany ny Jirama manoloana ny mety ho fahasimban’ny fantsona eny rehetra eny, ka hahavery fotsiny ny rano efa tena am-bivitra. Miha ritra tanteraka eny Mandroseza ary ahiana mihitsy ny tsy hisian’ny rano hosotroina eto Antananarivo atsy ho atsy noho izao hain-tany mahatsiravina izao.
Ora vitsy
Ora vitsy sisa no mandeha ny ranon’ny Jirama manerana ny renivohitra sy ny manodidina. Ho an’ny faritra Atsimondrano, ohatra, dia efa zara raha mandeha ny paompin’ny Jirama, toy ny eny amin’ny manodidina an’Itaosy, Ambohimamory, Ampitatafika, Andranonahoatra sy any amina faritra hafa. Ny tena loza dia mbola mety tsy hisy ny rotsak’orana amin’ity herinandro ity, raha ny tombatomban’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro. Tsikaritra ho tsy mbola feno ihany koa ireo fepetra ilaina amin’ny fandatsahana orana artifisialy, toy ny fisian’ny rahona eny amin’ny lanitra. Ritra ny rano ary maina tsy hahafaha-mamokatra ny tany, hany potika sy maty ho azy ireo zavaboary, raha tsy hilaza afa tsy ny faharitan’ny rano eny Ikopa, ka mahafaty ireo hazandrano. Ny hafanana migaingaina, ka fehendrena ny mitsitsy rano. Tsy honohono izany rehetra izany fa efa fanambarana ofisialy avoaka an-gazety nataon'ny Jirama no efa iarahan'ny rehetra mahita ny hain-tany manomboka maka toerana eto Antananarivo.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.