Mitombo isa saika isan’andro ireo tsy an’asa sy olona sahirana ara-pivelomana teren’ny fiainana mitady ny harapaka androany mitsindroka fako zoridira ao Toliara.
Miandahy miambavy ny manao izany, ary mirotsaka hatramin’ireo ankizy tsy ampy taona tokony mbola ho any an-tsekoly, kanefa manampy sahady ny ray aman-dreniny amin’ny fitadiavana maka sy manangona ireo harona « sachet plastique » sy potin-tsaribao ary entana hafa azo avadika ho vola hividianana sakafo. Misy maka sy manangona hatramin’ny sakafo masiso efa simba.
Zara raha mahazo Ar 400 isan’andro
Vao migandona ny fiaraben’ny kaominina manary fako dia mirohotra ny olona ary misy ny vaky ady mihitsy, toy ny tranga omaly maraina tao Anketraka Tsongobory, toerana fanariam-pako iray avaratry ny tanànan’i Toliara. « Teren’ny fiainana noho ny kibo tsy mba lamosina dia hadino tanteraka ny henatra sy ny vavan’olona ary miaritra ny fofona maimbo manempotra toy izao izahay,zara raha mahazo 400 ariary isan’andro », hoy ireo mpitsindroka fako. Lalim-paka ny fahantrana !
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.