Actualités

Mifarana ny taona Mibosesika ny mpisora-panambadiana


  • Zoma 30 Desambra 2016

Farany vao menafify ! Tomefy olona teo amin’ny biraon’ny Boriborintany faha-IV Anosy omaly alakamisy farany amin’ity taona 2016 ity.

Mpisora-panambadiana sy ny fianakaviana mpanotrona no nameno ny tokotany sy ny efitrano malalaka. Maro no misafidy izao vaninandro faramparan’ny taona izao hanorenan-tokantrano, indrindra ny tanora. “Manodidina ny 40 isan-kerinandro no tonga nandrakitra ny fanambadian’izy ireo teto aminay”, hoy Rakotomalala Jean Joé, mpiandraikitra ny soram-piankohonana ao amin’ny Boriborintany faha-IV Antananarivo Renivohitra. Nisy 23 izy ireo raha ny omaly fotsiny, ary mbola hisy 10 hafa rahampitso sabotsy 31 desambra 2016. Saika teraka teo anelanelan’ny taona 1990 sy 2000 ny ankamaroan’izy ireo, ary nisy zazavavy tsy mbola ampy taona. Ifanotofan’ny mpisora-panambadiana toy izany koa ao amin’ny Boriborintany I. Nisy 22 no nisoratra omaly ary mbola hisy 22 ihany koa rahampitso.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT