Tsy levon’ny vavonin’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena ilay fanehoan-kevitra nataon’ny depiote sady kaomiseran’ny polisy Razafitsiandraofa Jean Brunel fa tokony horavana ny zandary malagasy fa herim-pamoretana nolovaina tamin’ny mpanjanatany fotsiny
. «Fa izy no iza no handrava ny zandarimariam-pirenena ? Tsy ekenay izany», hoy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Rakoto François Rodin omaly nandritra ny fihaonan’izy sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary ny lehiben’ny Etamazoro jeneralin’ny Tafika malagasy.
Resaka fampandriana fahaleman’ny tany no tena tokony ho lohahevitra noresahina saingy lasa fanenjehana ranofotsiny ny polisim-pirenena no nibahanan’ny resaka. Ny Jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary moa dia nivadi-boamason’ny hatezerana mihitsy nanitrikitrika fa tsy sivily ny zandary fa foloalindahy ary saropiaro na «jaloux» amin’izany izy, araka ny nambarany. Ny jeneraly Rakotozafy Dominique indray izay tsy nanafina ny fiandaniany amin’ny zandary dia nanambara fa izay manao ihany no omen-tsiny sy enjehina. Tsy sitrapon’ny zandary, hono, ny hanao io asa fampandriampahalemana an-drenivohitra io fa asan’ny Polisy. Tsy vitan’izy ireo anefa ka tendren’ny «texte» ny zandary hanao ilay asa.
Aiza moa ny tany no hilamina, ny samy mpitandro ny filaminana aza efa mifanalabaraka eny amin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Efa tsy vita nandritra ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra intsony ary ve ny resaka matoa navoaka amin’ny mpanao gazety ? Sa efa ho rava kosa ny Fanjakana dia miady an-trano ny mpiaro azy ?
Ny nanaitra ihany koa dia toa lasa niantefa any amin’ireo polisy am-perinasa sy mitana ny andraikitra ankehitriny ny fanakianana nivaivay nataon’ny lehiben’ny Zandary sy ny Tafika omaly. Depiote mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena anefa no nanao fanakianana ny zandary fa tsy ireo tompon’andraikitra am-perinasa.
«Andao hisaina izay tafiditra am-ponja dia izay manana ny betsaka no horavana», hoy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena omaly.
Andry Ratovo
RAGASY : Sao dia mba ny zavatra tsara Tompoko no tokony hifaninananareo ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.