Actualités

Midangana ny vidim-piainana 600Ar ny kapoakan’ny vary ao Tolagnaro


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010


Vao ny sabotsy 04 desambra teo no nisian’io fiakaram-bidy ho 600Ar io ny kapoakan’ny fotsimbary ao an-drenivohitry ny Faritra Anosy. Mihoatra an’io ny vidiny any amin’ireo tanàna ambanivolo, toa an’i Tsivory. Mikaikaika ny olona, satria dia midangana izay tsy izy ny vidim-piainana any amin’ity toerana ity. Ny tsy fandriampahalemana sy ny kere anefa efa mamely. Ny Karana no mifehy ny famatsiana ireo zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro any Tolagnaro sy ny manodidina. Manjaka tokana izy ireo, ary dia faritany amin’izay itiavany azy ny vidin-javatra. Mametra-panontaniana ny mponina any an-toerana amin’ny teny mifono fampanantenana nataon’i Nourdine Chabani, filohan’ny Antenimieran’ny Varotra tao Tolagnaro taorian’ny nahavoafidy azy ho filohan’ny federasionin’ny Antenimieran’ny varotra eto Madagasikara ny volana septambra 2010 teo, nilaza fa hijery akaiky ity famatsiana any atsimo ity raha mbola 500Ar teo ny vidim-bary tamin’izay. Toa lasa resaky ny mampandry andrisa avokoa ireny ary mahatsiaro voafitaka koa ny mpanjifa eo anatrehan’izany, na dia andron’ny fanalalahana ara-barotra aza izao.

Tsy izay ihany mantsy fa sady tsy nisy rano no tsy nisy jiro koa tao Tolagnaro ny tontolo andron’ny sabotsy 04 desambra teo. Efa hadiva haraina vao niverina tamin’ny laoniny ny famatsiana ka nampitaraina ny mpanjifa;
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT