Fampiofanana fiahiana ara-tsosialy ataon’ny Tahirim-pirenena na ny CNaPS nandritra ny telo andro no natao tany Miarinarivo renivohitry ny Faritra Itasy.
Nahatratra 105 ny mpiofana nahitana mpiasa, mpampiasa ary maro an’isa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana. Novoaboasana avokoa, araka izany, ireo tombontsoa isan-tsokajiny omen’ny Tahirim-pirenena mandritra ny fotoana iasan’ny mpiasa ka hatrany amin’ny fisotroan-drononony. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana Atoa Raoul Arizaka Rabekoto, Tale jeneralin’ny CNaPS niaraka tamin’ny manampahefana eo anivon’ny Faritra Itasy. Nasongadin’ny Tale jeneralin’ny CNaPS fa : « tanjona amin’izao fampiofanana faobe ataon’ny CNaPS izao ny hahalalan’ny rehetra ny antsipiriany momba ny atao hoe ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fanampiana sy ny adidy izay tokony hatao eo anivon’ny CNaPS. Misy mantsy ireo zo voalazan’ny lalàna tokony ho fantatry ny olona hahazo izany. Ny mpiasa voatsimbina dia manana vitrika amin’ny asa izay ataony, ka rehefa mipetraka an-tsakany sy an-davany izay zo izay dia hifantoka amin’ny asany ny mpiasa ary hiroborobo ny orinasa iasany. ». Solontena notsongaina avy amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy, Miarinarivo aryArivonimamo izy 105 mianadahy nofanina ireo . Taorian’ny telo andro nanatontosan’ny CNaPS ny tsara ho fantatra rehetra hizakan’ny mpiasa sy ny fianakaviany ny zo dia nanaiky an-tsitrapo ireo mpiofana fa ho masoivohon’ny tahirim-pirenena ao amin’ny Faritra Itasy, ho lakile hidiran’ny mpiasa sy ny mpampiasa tsy misy havahana ao amin’ny CNaPS, ka hanefa ny latsakemboka maha mpikambana hisitrahana ny fiahiana ara-tsosialy amin’ny maha zo fototra azy. Miisa 594 385 ny mpiasa migoka ny fiahiana ara-tsosialy ao amin’ny CNaPS tamin’ny taona 2016.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.