Actualités

Miaramila mifonja ao Tsiafahy Nanao fampihavanana omaly


  • Zoma 03 Desambra 2010

Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny fianakavian’ireo voafonja eny Tsiafahy dia vita omaly ny fampihavanana eo amin’ireo miaramila voafonja eny an-toerana.

Noho ny resaka politika avokoa no nahavoafonja ireo miaramila ireo kanefa nisy ny mpomba ny FAT teo aloha, nisy ireo mpomba ireo filoha voafidim-bahoaka isany, ny Amiraly Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Ny jeneraly Raoelina no nitarika ny mpomba ny filoha Ravalomanana. Ny mpomba ny filoha Ratsiraka kosa dia ny kolonely Coutity no nitarika azy ireo ary ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana sy ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina kosa no nitarika ny mpomba ny FAT teo aloha. Tsy ny avy amin’ny tafika ihany fa tao ihany koa ny zandary ary anisan’ireny ny kolonely Raymond Andrianjafy. Voakasika ihany koa ny avy amin’ny polisim-pirenena izay nosoloin’ny Inspektera Jacky Franck Randriamihamina tena. Voakasika tamin’ny raharaha maro teto amin’ny firenena ireto miaramila sy ny polisy any Tsiafahy ireto. Eo ny resaka baomba vita tanana ny jona sy jolay 2009, ny raharaha Viva ny 18-19 jolay 2009, ny raharaha Ambohijanaka ny 16 aprily 2010, ny raharaha FIGN ny 20 mey 2010 ary farany teo ny resaka teny amin’ny BANI ny 20 novambra 2010. 

Rakoto Maxime
 
Sary : Ny fonjaben’i Tsiafahy (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT