Nigadona tao Fianarantsoa omaly alarobia 20 desambra maraina tao amin’ny Toby Faritany Miaramila Faharoa - Besorohitra ny nofomangatsiakan'ireo mpitandro filaminana sivy lahy lavo am-perinasa rehefa nopaohin’ny rano teo am-piampitana “radier”
tao Ambinanitromby, 28km tsy hahatongavana ao Ikongo ny fiarabe nitondra azy ireo ny tolakandron’ny sabotsy 16 desambra 2017. Avy amin’ny Tafika ny 6 tamin'izy ireo, polisy ny 2 ary zandary ny 1, ny ADJ Andriamampana Joseph avy any Vahapaky, Kaominina Ampasimanjeva, Distrikan'i Vangaindrano ; SGC Rasolonjatovo Jean Damien, avy any Antanambao- Fangena- Kaominina Fandrandava ; SGC Rafolonomembazany Saphibin Santisteban, avy any amin'ny Kaominina Anosy Distrika Farafangana ; S1C Ratolojanahary Sedinas avy any Mahajanga Ville ; S1C Rafanomezantsoa Tolojanahary Faly Albert avy any Tsitaitra, Andranotakatra, Kaominina Fandrandava, Distrika Lalangina ; S2C Andrianirina Hervé Augustin avy ao Sahamena, Andrainjato Centre, Kaominina ambonivohitra Fianarantsoa ; G1C Raharijaona Jean Wilfrid avy ao Ambanimaso Fianarantsoa ; AP3 Razafindrahoby Dinalalaina Todiavao avy ao Isorana, Distrika Isandra ary ny AP1 Raherisaina Lauréat dia avy any Ambohimahazo, Distrika Manandriana. Niaretan-tory tao amin’ny Toby miaramila Besorohitra Fianarantsoa ireo razana ireo halina mialoha ny handraisan’ny fianakavian’izy ireo tsirairay ka hitondra izany any an-tanindrazany avy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.