Actualités

Miala any indray ny trakta mitaky ny fialan’ny CEMGAM !


  • Alakamisy 06 Mey 2010


Raikitra indray ny fingonongononana any an-dakazerina any amin’izao fotoana. Araka ny feo mandeha dia ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy no anton’izany. Tsy ankasitrahan’ny miaramila amin’ny ankapobeny mantsy ny fironan’ireo manamboninahitra ambony any amin’i Andry Rajoelina, izay hita mibaribary amin’izao fotoana. Raha ny resaka nandeha hatramin’ny alatsinainy lasa teo dia misy indray ny trakta manomboka miparitaka, izay mitaky ny fametraham-pialan’ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André. Izy irery aloha no voalaza fa voasoratra ao anatin’io trakta miparitaka miafina any anaty lakazerina io, hatramin’izao. Fa mety mbola ho avy koa ny an’ireo manamboninahitra hafa. Tsy vao izao moa no nisian’ny fitakiana ny fialan’ireo tompon’andraikitra ambony ireo, fa efa hatrany amin’ny volana febroary tany ho any. Raha tsiahivina kely eto dia niparitaka tany an-dakazerina ny resaka sy ny trakta mitaky ny fametraham-pialan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’izany fotoana, ny jeneraly Noel Rakotonandrasana. Telo herinandro taorian’izay dia nesorina tamin’ny toerany izy. Dia efa fantatsika moa ny tohin’ny tantara avy eo. Ho hita eo indray ity tranga iray ity, fa ny azo antoka aloha amin’izao fotoana dia maro ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ary vata-miaramila tsy mitovy hevitra intsony amin’ireo mpitarika eo anivon’ny foloalindahy ary mety hitarika zavatra hafa izany raha ny fandinihana azy, raha tsy mahay mandanjalanja tsara izay fanapahan-kevitra raisiny ireo manamboninahitra mitana toerana ambony ireo. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT