Actualités

Miakatra ny feo ao Toamasina Mikatona Ambatovy, miala ny lehiben’ny Faritra …


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Nihetsika nanao filaharam-be niainga teo amin’ny Soavita nihazo ny biraon’Ambatovy eo amin’ny tranon’ny SMOI Anjoma, ireo mpikambana an-jatony maro ao amin’ny hetsika : “Tsy misy miala aketo niany omaly”.

 Tamin’ny 8ora sy sasany maraina dia efa teo anoloan’ny biraon’Ambatovy izy ireo, izay nahatonga ny teo anivon’ny tetikasa nandefa ny mpiasany nody. Efa niatrana teo ihany koa ny Emmo-Reg. Tamin’ny 9 ora sy sasany maraina vao tonga ny “réquisition” lah: 10/12/Distr/TOA/OP avy amin’Atoa Ravelomanarivo Jean Jacques, lehiben’ny Distrika, milaza fa “ny fanatanterahan’ny mpitandro ny filaminana ity taratasy ity, dia tsy midika ho fampiasana fitaovam-piadiana, nefa raha ilaina izany dia miankina amin’ny fahitan’ny mpitarika ny Emmo-Reg eny an-toerana ihany, ka tsy voatery hanaovana fampitandremana mialoha”.

Nanaitra ireto Emmo-Reg izany, satria “ny lehiben’ny Distrika no tokony hidina eny an-toerana manao ny fampahalalana alohan’ny fampiharana ny fitaovam-piadiana voalazan’ny ‘réquisition’ amin’ny fanaparitahana ireo vondron’olona mitangorona sy manelingelina ny filaminam-bahoaka ary tsy manaja ny zon’ny besinimaro”. Tao anatin’ny iray volana izao dia hita ihany ny “fialangalanan’ny tompon’andraikitra” ao Toamasina, ka mametraka ny raharaha rehetra tamin’ny Emmo-Reg, izay mahakivy ireto farany amin’ny fanatanterahana ny asany noho ny tahotra  ny hitsimbadihan’ny rasa.

“Efa nanome fetr’andro hatramin’ny 5 novambra izahay, fa ny mahatonga anay eto izao dia ny fanamafisana izany, ary hisy raharaha eto raha tsy mivaly izany”, hoy Rakotomalala Henri na Riri Be mikasika ny hetsika nataon’izy ireo omaly. Nohamafisin’i Riri Be fa “Hakatonay io orinasa io raha minia manampin-tsofina amin’ny fitakiana efa fantany tsara, dia ny toky ara-bola mitentina 6.000.000 Ariary isaky ny mpiasa. Halanay miaraka amin’izany koa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, fa manampin-tsofina amin’ny fahoriam-bahoaka”. “Tsy sarotra anefa ny famahana ny raharaha satria 3 tapitrisa dolara amin’ny 25 tapitrisa dolara nomen’ny tetikasa ihany dia vita ny raharaha ary mijanona ny fitokonanay”, hoy hatrany izy ireo tsy naka sarotra. Fantatra ihany koa fa hanao hetsika lehibe ny alakamisy izao hitety ny tanànan’i Toamasina ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany” ary re fa hanohana azy ireo amin’izany ny mpianatra ao Barikadimy manana olana amin’ny vatsim-pianarana sy ny mpitondra sy tompona posy bisikilety amin’ny fanoherana ny hetsiky ny Kaominina.
 
Taorian’ny hetsika teo anoloan’ny biraon’Ambatovy dia nilahatra am-pilaminana nihazo ny biraon’ny Faritra Atsinanana, ireo tarik’i Riri Be. Taorian’ny kabary nataon’ity farany nilaza ny hetsika hataon’izy ireo sy ny fijerena ny olan’ny tanoran’i Toamasina, dia samy namonjy fodiana izy ireo.
 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT