Mandom-baravarana ny mosary, ary tsy misy olona tsy mikaikaika amin’izao. Raha ny ao Toliara manokana taorian’ny rivodoza Fundi sy ny orambe nikija nampiakatra ny rano nanimba lalam-pirenena maro fivoahan’ny vokatra mamatsy ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, dia niakatra avokoa ny vidin’ny entana ilain’ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro, hatramin’ny anana sy legioma. Tsy mahazo anana raha tsy 500 Ar amin’ny tsena sasany, ary efa tsy ahitana tokony na fehiny 100 Ariary intsony.
Raha ny fanazavan’ireo mpivarotra dia fefiky ny rano ny voly, ka ny eny am-potony mihitsy no tsy ampy ka mampiakatra ny vidiny ny mpamboly. Ho an’ireo avy any Antananarivo kosa dia manambara ny mpivarotra fa betsaka ny simba ka tsy maintsy onerana amin’ny vidiny hafa tsy hahafaty antoka. 400 Ariary ny vidin’ny voatabia iray eny an-tsena. An-kilan’ireo, tafakatra 600 Ariary ny kapoakan’ny vary, raha 500 Ariary ka hatramin’ny 550 Ar tamin’ny herinandro iny. Betsaka ny tokantrano sasany tsy mihinam-bary ho foto-tsakafo intsony, fa manolo izany ho zavatra hafa mora vidy.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.