Actualités

Mgr Ranarivelo Samoela “Aleo ny polisy hanao ny asany !”


  • Talata 06 Jolay 2010

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe mandeha momba ny fahamaizan’ny fiangonana Santa Stefana Anatihazo ny filohan’ny Eglizy Episkopaly Malagasy, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.

Nambarany fa tsy afaka handroso hevitra momba ny antony nandorana sy izay mety ho tompon’andraikitra tamin’izany ny fiangonana. «Malahelo mafy sady taitra tokoa izahay noho iny zava-nitranga iny saingy aleo ny polisy hanao ny asany». Misaotra ireo rehetra naneho fiaraha-miory sy nampanantena fanampiana amin’ny fanarenana ny Santa Stefana koa ny tenany ary nasiany tsindrim-peo manokana ny mpitondra ny FAT sy ny Ankolafy Telo izay samy tonga teny Anatihazo. Manoloana ny feo naelin’ny gazety sasany fa mety ho noho ny fanatrehan’ity fiangonana EEM ity ny matso teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 26 jona no nahatonga ny hasomparana nihatra tamin’ny Santa Stefana dia nambarany fa zava-dehibe ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-50 niverenan’ny fahaleovantena izay tsy misy ifandraisany amin’ny ady saritaka politika samihafa eto amin’ny firenena. Nohazavainy koa fa namaly ny fanasan’ny foloalindahy no antony nanomezany voninahitra iny lanonana iny. Tsy manan-kambara kosa anefa ny tenany raha tena azo ampifandraisana amin’ny fiatrehany ny matso no antony nandorana ny fiangonana.

Nanararaotra ity fotoana ity moa ny Eveka anglikana mba handefa antso ho an’ireo mpino Anglikana mba ho tony hatrany no sady tsy hihinana am-bolony manoloana ny feo miely etsy sy eroa fa hihaino kosa ny feon’ny fieritreretany sy ny bitsiky ny Fanahy Masina. Niantso ny mpanao gazety mba handinika ny vaovao avoaka koa ny tenany ary tsy hadinony koa ireo mpanao politika tsy ankanavaka, indrindra fa ireo hery mifanandrina amin’izao fotoana. «Tsy misy afa tsy ny fifampidinihana ihany no hampilamina izao toe-draharaha izao». Notsindriany koa anefa fa ilaina ny fampihavanana izay tsy tontosa raha tsy misy ny fifamelana. Mety hitaky fotoana lavalava izany saingy tsy maintsy atao tsikelikely anefa ireo dingana ireo raha ny fanazavan’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona ihany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT