Actualités

Mety ho zava-doza ny lalàna momba ny ZES Ataovy ny atrikasam-pirenena, hoy ny SECES


  • Talata 28 Novambra 2017

Nanatanteraka fivoriana ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy ny Mpikaroka-Mpampianatra (SECES) rantsana Antananarivo ny 24 novambra lasa teo.

Nisy ny fanambarana natao taorian’izay ka lafin-javatra 5 no tena nisongadina. Fisaorana ny mpitondra sy ny vahoaka, ary ny mpiara-miombon’antoka tamin’ny ady manoloana ny aretina pesta. Manentana kosa ny ho fametrahana lamina sy paika mba tsy hiverenan’ireny aretin-doza tokony ho nilaozan’ny vanim-potoana ireny. Mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblika sady milaza ho ren-tany ren-danitra fa fanetribem-pirenena ny fisian’ny tsimatimanota eto. Manoloana ny zava-mamohehitra ataon’ireo mpitondra sasantsasany toy ny fivarotana ny Villa Elizabeth, fampiharan-dalàna tsy mitovy amin’ny olona samy nandika lalàna, fanaparam-pahefana sy fihoaram-pefy ataon’ireo mpitandro ny filaminana sasantsasany … Ny SECES sampana Antananarivo dia milaza marin-drano fa tsy vahaolana velively ny fanilihana andraikitra ary mampahatsiahy fa azo hitarafana ny maha olo-mendrika ny fandraisana andraikitra ara-potoana na inona na inona zava-mitranga eto amin’ny fiarahamonina. Manahy mafy amin’ny mety hisian’ny krizy mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Noho izany dia mila mamolavola lalàm-pifidianana voadinika tsara ary eken’ny rehetra hampiharina eto Madagasikara manomboka amin’ny fifidianana ho avy. Manoloana ny nandanian’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna laharana 018/2017 tamin’ny 10 jolay 2017 mifandraika amin’ny fananganana Faritra ara-Toekarena Manokana (ZES), dia tsy afa-mangina ary tsy maintsy mitondra ny heviny mifandraika amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro mba tsy ho tsiny eo anatrehan’ny taranaka aoriana. Ilain’ny fampandrosoana ny firenena ny mpampiasa vola vahiny ara-dalàna mba hisian’ny famoronana asa, saingy toa ankamehana tanteraka ny famolavolana ny lalàna mikasika ZES. Takiana, araka izany, ny fanatanterahana atrikasam-pirenena, izay handraisan’ireo manampahaizana isan-tsokajiny sy ireo raiaman-dreny ara-pinoana sy ara-drazana anjara. Tokony hatao io mba hisorohana ny mety ho fatiantoka sy ny fahapotehan’ny firenena Malagasy. “Dia milamin-tsaina ve ireo solombavambahoaka izay nametrahana fitokisana hisolotena ny vahoaka Malagasy taorian’ny nandaniany io volavolan-dalàna io ? “, hoy ny SECES.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT