Actualités

Menaka tsy voadio nangalarina tao amin’ny TOP Tao Toamasina sy Antsirabe no nanodinana azy


  • Alakamisy 09 Septambra 2010

Tsy mbola afaka miasa sy mihodina araka ny tokony ho izy ireo orinasa goavana roa an’ny vondron’orinasa Tiko ao Toamasina, dia ny Mana Madagasikara, izay mpanamboatra lafarinina, sy ny TOP mpanamboatra menaka.

Ho an’itsy voalohany dia efa afaka niditra tao ihany ny tomponandraikitry ny Tiko nijery ny zava-misy, ary miroso amin’ny fanadiovana ireo mpiasa amin’izao fotoana, na dia tsy mihodina aza ny orinasa. Ho an’ny TOP kosa dia tsy mbola azo nidirana mihitsy ny orinasa noho ny fanapahan-kevitry ny fitondrana FAT, ary dia mpitandro ny filaminana no miambina azy. Fa araka ny nambaran’ireo mpiasa ao amin’ny orinasa TOP (Tiko Oil Product) dia efa hatramin’ny herintaona no nisy naka tao ireo menaka tsy voadio, ary na ny tomponandraikitra teo anivon’ny Tiko aza dia efa nanao fanambarana an-gazety ny momba izany. Ny fanangonam-baovao natao tetsy sy teroa no nahafantarana fa an’arivony taonina ireo menaka tsy voadio tao amin’ny TOP Toamasina no navoaka ka navadika ho menaka sy savony, ka orinasa ao Toamasina sy Antsirabe no nanao izany.

Azo hanamboarana savony koa mantsy ny «huile brute», ary tsy sarotra ny manao izany. Ny nahagaga dia maro tamin’ireo manampahefana sy tomponandraikitra ambony no nahafantatra tsara io fangalarana menaka tao amin’ny TOP Toamasina io, saingy nitazam-potsiny sy tsy nandray fepetra. Ary dia nigalabona maka tombom-barotra avy amin’ny entana nangalarina ireo orinasa sy mpanao bizina namadika ny menaka amin’izao fotoana. Fa ny tena loza amin’ity raharaha ity dia mety tsy voadio tsara araka ny fenitra tokony ho izy ny menaka ka hiteraka aretina, na hahafaty mihitsy izay mihinana azy. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT