Sampandraharaha manelanelana ny olana eo amin’ny Fanjakana sy ny mpahazo tombontsoa amin’ny asam-panjakana ny «Médiature de la République» izay manana ny biraony ao Isoraka Antananarivo.
Nampahafantarina omaly ny asa nosahaniny nandritra ny taona 2009 ka nohararaotina tamin’izany koa ny fampahalalana ny asa aman’andraikiny. Nitanisa ireo antony matetika ametrahan’ny olona fitarainana eny amin’ny «Médiature» i Esoavelomandroso Monique ka olana miverimberina raha ny filazany ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana rehefa resy tamin’ny raharaha iray ny fanjakana, ny tsy fahazoana karama na tombontsoa, indrindra rehefa misotro ronono na modimandry ilay mpiasa, tsy fanefan’ny orinasa ny latsakemboky ny mpiasa, fanaovana hosoka momba ny taratasy fanamarinana fanambadiana sy ny hosoka amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, ny kolikoly ataon’ny mpiasam-panjakana isan-tokony ary ny ady tany. Nomarihin-dRtoa «médiateur» fa anisan’ny lesoka mahatonga ny savorovoro ny tsy fahafantaran’ny mpiasa ny zony izay tokony ho andraikitry ny mpampiasa no mampahafantatra izany.
Mandray fitarainana sy miantso ny sampandraharam-panjakana voakasiky ny raharaha ny Médiature ary manome soso-kevitra handravonana izany saingy tsy afaka mandray fanapahan-kevitra na manasazy kosa anefa izy. Tsy misy tohiny anefa ireny fitarainana ireny mazàna satria tsy misy mamaly ny antontan-taratasy angatahana fanazavana sy fanoherana eny amin’ireo sampandraham-panjakana sy ministera isan-tokony raha ny nambaran’i Esoavelomandroso Monique. Ankoatra izay dia tsy feno koa matetika ny antontan-taratasy entin’ny mpametraka fitarainana noho ny tsy fahafantarana ka lany andro mivezivezy etsy sy eroa izy ireo. Tsy fanenjehana ny fanjakana akory no asan’ny Médiature fa fampiatrehana azy ny manoloana ny andraikiny amin’ny vahoaka no tanjona, hoy ihany ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny “ Médiature” ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.