Tsy manan-jo hiditra amin’ny sehatry ny fitsarana ny Mediatioran’ny Repoblika. Tranga tena mandalo matetika ao amin’io rafi-panjakana io hatreto ny fitarainana amin’ny tsy fahazoan’ny olona ny dika mitovy fanatanterahana ny didim-pitsarana na ny « grosse»,
hoy ny tompon’andraikitra voalohany Andréas Monique Esoavelomandroso. Voatery manatona ireo olom-panjakana ambony hatrany mantsy ity rafitra misahana ny fanelanelanana ity mamaha ny olan’ireto farany. Miraviravy tànana loatra amin’ny tantsoroka tokony hanampiana ny olom-pirenena moa ireo mpitantana ny raharaham-panjakana, hoy ny Mediatioran’ny Repoblika. Adidin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny anefa ny mampahafantatra ny tontolon’ny raharaham-panjakana. Andraikitry ny rafitra mpanara-maso samihafa eny anivon’ireo sampan-draharaha ihany koa ny fampandehanana ny asa aminy, araka ny fanazavana. Tsy mahalala ny resaka lalàna eto amin’ny firenena ary tsy mahafehy ireo dingana rehetra momba ny fitsarana mihitsy ny vahoaka Malagasy. Ohatra azo raisina amin’izany ny lafiny fangatahana fampiakarana ny raharaha manoloana ny tsy fahafaham-po amin’ny didy navoakan’ny tribonaly ambaratonga voalohany, araka ny fanampim-panazavana.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.