Toy ny fanaony isan-taona dia hanatanteraka fitsaboana maimaimpoana indray ny Fikambanana “Medecin de l’Océan Indien” ny 31 ka hatramin’ny 09 aprily ho avy izao. Any Morondava no toerana hanatanterahany izany hiarahany amin’ireo misionera manodidina ny 40 isa.
Ankoatra ny fitsaboana amin’ny ankapobeny dia hisy ihany koa ny fandidiana ireo marary tena mila izany ankoatra ny fitsaboana sy fanalana nify. Anisan’ny hahazo tombony manokana amin’izany ny vehivavy sy ny ankizy raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Hisy mantsy ny dokotera manokana na pédiatre ho an’ny ankizy raha tsy latsa-danja amin’izany ny fanaovana fitarafana na échographie ho an’ireo vehivavy manana olana ao amin’ny kibony sy ireo mitondra vohoka. Marary manodidina ny 7.000 ka hatramin’ny 8.000 isa no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany, hetsika tafiditra ao anatin’ny faha-69 taona nijoroan’ny ONG raha andiany faha-56 kosa. Ho fahatsiarovana an’i Papa Akbaraly Vasram moa no nanaovana izao hetsika izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.