Nanolotra solosaina miisa dimy miaraka amin’ny kojakoja ho an’ny Boriborintany voalohany, omaly alatsinainy 9 janoary, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrika Antananarivo I, Me Razafimanantsoa Hanitra.
Nanambara ny tenany fa fitaovana hahafahana miasa, miasa mafy, miasa tsara ireo mba hamahana olana sy hanatsarana ny fitaovana efa misy. Ny delegen’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny boriborintany voalohany Ratsimbazafy Andriamahery Gérard, tetsy an-kilany dia naneho ny maha zava-dehibe ireto fitaovana ireto satria hahafahana miasa amin’ny fikarakarana ny atontan-taratasy ilain’ny olona, izay tsy vita mora ny fanaovana izany raha tsy misy fitaovana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.