Actualités

Me Randrianasolo Jacques Augustin Manameloka ny fanosoram-potaka atao azy


  • Talata 05 Mey 2015

Manoloana ny fanalam-baraka azy tamin’ny haino aman-jery momba ny raharaha fandroahana olona an-keriny tao Mahavatse II Toliara «Villa Paponako TF n° 4333-CJ», ny 24 aprily lasa teo, dia nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly antoandro, ny Maitre Randrianasolo Jacques Augustin, vadintany vonjimaika nanatanteraka didim-pitsarana nandroaka an’ireo mpibodo tanin’olona resy teny amin’ny fitsarana.

 


«Ara-dalàna ny fanatanterahana ny didy, satria nisy «ordonnance aux fins d’extension de compétence n° 002-6-ORD/CAT/015 navoakan’ny Fitsarana ambony Toliara, ny 5 febroary 2015, manome alalana ahy, nosoniavin’ny filoha voalohany ao amin’ny Fitsarana ambony. Lalàna no hampiharina sy harahina fa tsy tokony hifanalam-baraka fa samy olon-dehibe», hoy ity vadintany ity, namaly ny fanosoram-potaka noho ny fialonana ataona vadintany sasany azy. Nomarihany fa olona nonina tamina trano 14 amina velarantany 20 ara no nesorina ny zoma 24 aprily lasa teo.  

Vadintany mamy hoditra

« Ny mahagaga fa efatra izahay vadintany vonjimaika miasa ao Toliara II, nefa ny tenako irery ihany no enjehin’io vadintany io noho disadisa ara-bola ny taona 2012. Vao mainka nampitombo ny loniloniny, fa izaho ihany no hany vadintany nahavita nanaisotra an’ireo olona mpibodo tany, na dia efa nisy vadintany maromaro nanatanteraka didy talohan’io», hoy Me Augustin. Noho ny fivadiham-pitokisana dia ratsy endrika ao Toliara ny sasany amin’izy ireo. Raha ny loharanom-baovao dia nisy vadintany iray nampitakina volana orinasa mpampindram-bola madinika 24 tapitrisa Ariary, voatory teny amin’ny fitsarana satria tsy naveriny ny vola 16 tapitrisa Ariary.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT