Miasa an-kalalahana tanteraka ary tsy iharan’ny tsindry na avy aiza, na avy aiza ny CENI, araka ny nambaran’ny filohany ny Me Hery Rakotomanana.
Nanamafy ny maha mahaleotena tanteraka ity vaomiera natsangana mba hikarakara, sy hanara-maso ny fifidianana ary hamoaka ny vokatra ity, ny filoha mitarika azy, roa andro taorian’ny nahavitana ny sonia ary nivoahan’ireo tetiandro amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, araka ny fifanarahana politika teo amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny antoko politika. Araka ny filazan’ny Me Hery Rakotomanana azy dia misy ny lalàna mazava miantoka ny fahaleovantenan’ireo mpikambana ao ao anatin’ny CENI. Tsy maintsy mihaino tsara ny feon’ny fieritreretany koa ireo mpikambana tsirairay avy, satria tena ho zava-doza ary hiteraka krizy vaovao indray ny tsy fisian’ny fahaleovantenan’ny CENI amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ny fifidianana. Aminy moa dia tena fitiavan-tanindrazana tanteraka no mibaiko ny mpikamban’ny CENI mba hahafahana mamoaka ny firenena amin’izao krizy izao. Mikasika ny fomba fiasa sy ny fanapahan-kevitra indray dia nanome toky izy fa miankina amin’ny lafiny teknika tanteraka, ary araka ny lalàna misy no hanapahan-kevitra. Ny fiarahamonim-pirenena no tena manapaka ny hevitra, hoy ihany izy fa fanaraha-maso sy fanomezana soso-kevitra fotsiny ny an’ireo solontenan’ny antoko politika ao anatin’ny CENI.
Eo amin’ny resaka ara-bola dia nanamafy ny Me Hery Rakotomanana fa 7,5 miliara ariary no vola efa voarain’ny CENI ary ampiasainy amin’izao fotoana. Ny fitetezam-paritra sy ny fametrahana ireo solontenan’ny CENI manerana ny nosy, ary ny fividianana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny asa no andaniana io vola io. Tsy maintsy mila vola fanampiny kosa anefa, araka ny nambarany ihany, rehefa tena ho raikitra ny fifidianana, tahaka ny fitsapan-kevi-bahoaka, voalaza fa hatao amin’ny 17 novambra 2010. Tsy ampy mihitsy mantsy io tetibola nomena ny CENI io, mba handoavana ny tambin-karaman’ireo iraka avy amin’ny CENI manerana ny nosy sy ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato tahaka ny filoha, ny delege ary ny mpitantsoratra. Mikasika ny lisi-pifidianana kosa dia nambarany fa fanamboarana lisitra vaovao mihitsy, na refonte no natao isaky ny fokontany, ary ny 75%-n’ny asa no vita hatramin’izao. Tsy maintsy mbola hisy fanamboarana ihany anefa izany satria mety maro ny zava-mitranga mandra-pahatongan’ny fifidianana, tahaka ny hoe olona maty, olona tonga taona, na nifindra monina. Ampiasaina voalohany eto Madagasikara amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny bileta tokana, ary efa mivonona amin’izany ny CENI, efa eo am-pikarakarana ny momba izany ry zareo, ary nanome toky ny Me Hery Rakotomanana fa tsy maintsy hisy ny fanazavana amin’ny vahoaka ny fomba atao, satria mbola zava-baovao amin’ny Malagasy izany bileta tokana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.