Nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny boriborintany voalohany omaly alatsinainy 9 janoary 2017 ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy teny amin’ity
boriborintany voalohany ity, i Me Hanitra Razafimanantsoa, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Vao maraindraina tamin’ny 7ora dia efa tazana nitarika ny fanadiovana teny Ambohijatovo nandalo teny Analakely ambanin’ny tohatohabaton’Antaninarenina iny ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa ka tsy nifarana raha tsy teny amin’ny Garan’i Soarano. Nisy koa ny andiany tazana teny Ambodifilao, Analakely sy ny manodidina ary Tsaralalana sy Tsiazotafo teny.” Izay manadio tsy mandoto” no lohahevitra noraisina tamin’izao fanadiovana faobe izao. Nambaran-dRtoa solombavambahoaka fa fiaraha-mientan’ny rehetra izao. Azo atao tsara ny manadio ary rehefa manadio dia manome modely ho an’ny hafa mba handraisan’izy ireo kifafa ihany koa. Ny fanadiovana tsy haingitraingitra fa tokony ho fiainana isan’andro ary tsy izao fotsiny fa atao modely ho an’ny rehetra hataony isan’andro na any an-tsekoly na any am-piasana. Tsy mandany vola ny fiaraha-mientana tahaka izao nefa mila fanetren-tena sy finiavana kosa.Notohizana tamin’ny fanolorana solosaina 5 ny boriborintany I avy eo ny hetsika nataon’ity solombavambahoakan’i Madagasikara ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.