Mbola mitana ny sain’ny maro ao Toamasina ny momba ireo olona 23 mianadahy voatana am-ponja vonjimaika momba ilay raharaha “bois de rose” tratra saika haondrana an-tsokosoko tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Ankehitriny dia fantatra fa telo amin’izy ireo no marary mafy ao Ambalatavoahangy ao noho ny antsonjay nihatra taminy vokatr’ity fampidirana am-ponja ity. Vehivavy malagasy ny roa, miampy teratany sinoa iray, izay ambara fa tompon’ilay bolabola. Ny mahagaga eto, na efa nahazo taratasy mikasika izany tsy hafasalamana izany avy amin’ny Talen’ny fandraharahana ny fonja aza, izay nohamafisin’ny fampanoavana sy ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana mitana ny antontan-taratasin’ady, dia ilay fahazoan-dalana sy efitrano eny anivon’ny hopitaly be izay miandry ny sonian’ny tale ny CHU no sakana ankehitriny. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao aloha, tsy vita sonia io taratasy io.
Ny tranga iray ihany koa, izay naha be resaka tao Toamasina dia ilay mpiasa eo anivon’ny MICTSL izay namoahana didy fampidirana am-ponja tahaka ny namany ihany koa, nefa mbola teraka eny amin’ny hopitaly nandritra ny fotoana niakarana fitsarana rehetra. Tsy maintsy miditra am-ponja tahaka ny namany ity vehivavy avy niteraka ity aorian’ny fivoahany ny hopitaly. Ankoatra izay, dia tokony hanomboka anio alatsinainy ny fanaovana ny fanadihadiana lalina ny raharaha “bois de rose” ity. Manahy sahady anefa ny fianakavian’ireo voafonja sy ny mpisolovava azy avy ireo voarohiroy, fa hihemotra sy hanatara ny fikatonan’ny dosie sy mba hahafahana mangataka fahafahana vonjy maika, ny tsy ho fahavitan’ity fanadihadiana lalina ity. Fantatra mantsy, araka ny fanapahan-kevitry ny SMM, Sendikan’ny mpitsara fa hitokona mandritra ny telo andro izy ireo manomboka anio, ka ny alakamisy any izay vao mety hisy ity fanadihadiana lalina ataon’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.