Nisy naka an-keriny teny Amparibe ny karana lahy mizaka ny zom-pirenena frantsay, fantatra amin’ny anarana Rafik Jafaraly
, tompon’ny tranombarotra Conforama Tsaralalana. Teo ampanaovana fanatanjahantena maraina teny amin’ny kianjan’ny Masindahy Misely izy mivady no nisy telo lahy tsy misarontava fa mitam-basy niditra ny faritry ny sekoly naka an-keriny azy. Tena fihetsika matihanina ny fomba nanatontosan’izy ireo ny fakana an-keriny. Dimy lahy no nigadona vao maraina tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany, niaraka tamin’ny fiara Renault Espace miloko manga, teny am-bavahadin’ny sekoly. Nijanona niaraka tamin’ny fiara ny roa, fa ny telo no nilaza tamin’ny mpiambina sivily teo am-bavahady hanaraka azy ireo hiditra fa misy mpangalatra tafatsofoka ao amin’ny faritry ny sekoly ka hosamborina. Teny an-dalana no namoaka basy tampoka sy nanambana izay rehetra teny anoloany ireo jiolahy sady naka ilay karana lahy. Nalain’ireo jiolahy ny findainy sy ny an’ny vadiny ary ny basy sy ny finday teny amin’ny mpiambina manokana azy ireo, ity farany izay mpitandro ny filaminana. Mandray an-tanana ny raharaha ny kaompanian’ny zandary ary omaly ihany dia efa nandeha ny fikarohana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.