Actualités

MBS Radio Toamasina Nakaton’ny fanjakana ihany koa


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny Groupe Tiko, taorian’ny fibodoana ny tanin’ny labatoara eny Andohatapenaka dia fantatra izao fa nakaton’ny minisiteran’ny serasera indray ny onjampeon’ny MBS

 

 any Toamasina.raha toa ka efa nanao andrana ar-teknika nandritra ny roa volana ity onjampeo ity dia nilatsaka ny baiko fa tsy mahazo mandeha intsony ary tsy maintsy mikatona, nipika tanteraka noho izany ny MBS radio Toamasina nanomboka omaly maraina.Araka ny fanazavana fanampiny voaray avy amin’ny mpitantana ity vondron’orinasan-tserasera natsangan’i Marc Ravalomanana ity dia antso an-telefaonina avy amin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny serasera no nampitàna ny teny midina tsy maintsy hampijanonana ny MBS Toamasina, tsy nisy ny taratasy ofisialy mazava, na mampijanona ny fandaharanareo faran’izya haingana ianareo na ho sintoninay avy hatrany ny « licence ».Izany no teny voarain’ny tompon’andraikitry ny onjampeo tao Toamasina izay nampita ny zava-misy tamin’ny lehibeny taty Antananarivo, ka teo no nandraisana ny fepetra nampiatoana ny fandaharana rehetra tao amin’ny MBS Toamasina.Tsara ho marihana anefa ,hoy ny mpitantana ny MBS fa tsy mitovy amin’ny MBS Antananarivo ny ao Toamasina fa orinasa hafa mihitsy ary manana ny fahazoan-dalana manokana ho azy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT