Niroso amin’ny andrana ara-teknika indray ny onjampeo MBS izay raisina eo amin’ny maridrefy 95.4 FM nanomboka tamin’ny zoma lasa teo. Amin’ny maha andrana azy dia hira ihany aloha hatreto no re ao amin’ity onjampeo naorin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny 2001 ity fa tsy mbola misy vaovao na fandaharana
. Tsy tokony hisy ny olana amin’ny resaka fahazoan-dalana, hoy ny mpitantana satria efa manana taratasy ara-dalàna ny MBS Radio, nisy ny taratasy notakian’ny minisiteran’ny serasera ary efa nomena azy daholo izany. Fantatra fa hiverina hanao andrana teknika tsy ho ela ihany koa ny fahitalavitra MBS ary efa eo am-pikarakarana ny amin’izany ireo teknisianin’ity fahitalavitra ity. Anisan’ireo orinasa voaroba sy potika tanteraka tamin’ny 2009 moa ny haino aman-jery MBS izay ao anatin’ny vondron’orinasa Tiko, saingy na dia henjana aza ny fiarenan-doha dia nanome toky ireo mpitantana sy ny mpiasa fa mbola vonona hatrany ny hanome fahafaham-po ny malagasy izy ireo ary mivoy hatrany ny fanabeazana ny olom-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana iombonana. Nilaza moa omaly ny eo anivoan’ny minisiteran’ny serasera fa tsy ara-dalàna ny andrana teknika ataon’ny onjampeo MBS ary tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina. Ho hita eo ny tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.