Nandefa taratasy fampitandremana niantefa tamin’ny talen’ny famoahan’ny vondrona Malagasy Broadcasting System ny minisiteran’ny Serasera tamin’ny alalan’ny talen’ny Serasera ny harivan’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 6 ora sy 15 minitra. Votoatin’ny lahatsoratra ny tokony hampiatoana ny andrana teknikan’ny radio eo amin’ny maridrefy 95.4 FM. Raha tsy tanteraka izany dia ho avy eny Faravohitra ny minisitera hanakatona sy haka ny fitaovana hita eny an-toerana.
Tsy hilefitra…
Naneho hevitra avy hatrany ny tompon’andraikitra voalohany avy amin’ny MBS tamin’ny alalan’ny fampiantsoana mpanao gazety teny Faravohitra omaly folakandro. Mazava ny valinteny fa tsy hilefitra fa hanohy ny andrana teknika natomboka tamin’ny radio ny vondron’ity haino aman-jery ity. Efa ela no nifampiresaka tamin’ny minisitera izahay, hoy izy nanazava ny toe-draharaha sy nandefa taratasy fanamarinana rehetra. Nambaran-dRalaivaohita Joel fa hiitatra tsy ho ela amin’ny fahitalavitra rahateo izany andrana teknika, araka ny fanampim-panazavana azo teny an-toerana. Filam-baniny tsotra izao moa no isokajian’ny mpiasan’ny MBS ity fihetsiky ny minisitera mpiahy ity. Manameloka ity fanapahan-kevitry ny minisitera ity ihany koa moa ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard izay tonga teny an-toerana. Nanambara kosa Atoa Tahitsy Gilbert avy amin’ny fikambanana mpanao gazety zokiolona fa efa nanomboka tamin’ny taona 2010 i Joel Ralaivaohita no nanetsiketsika ny fanokafana indray ity MBS ity raha nambaran’ny talen’ny famoahana tamin’ny fotoanandrony, Atoa Sammy Rabenirainy, fa miato aloha ny radio sy tele MBS amin’izao taona 2009 izao noho ny fahamaizana sy ny fahapotehan’ny fitaovana tao aminy.
Fahazoan-dalana hatramin’ny 2097
Efa nanome alalana ny fahazoana ny fanokafana ny MBS ny tenako tamin’ny nahatompon’andraikitra ahy tao amin’ny minisiteran’ny serasera tamin’ny tetezamita, hoy izy. Tsy nakatona, araka izany ny MBS, hoy i Tahitsy Gilbert, fa nampilaza ny fampiatoana ny asany tany amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny ministeran’ny asa mba hijanonan’ny fitakian-ketra aminy. Marihana fa nasehon’ny tompon’andraikitry ny MBS ankehitriny tamin’ny mpanao gazety teny Faravohitra ny taratasy milaza fa hatramin’ny 21 oktobra taona 2097 no faharetan’ny fotoam-piasan’ity orinasa MBS ity.
Ramano F/Evariste Ramanantsoavina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.