Actualités

Mbola Rajaonah Navoaka avy eo naverina eny Tsiafahy


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Ny 13 febroary no nosamborina teny Antsahabe ny mpandraharaha Mbola Rajaonah, izay narahina fampidirana am-ponja vonjimaika tany Tsiafahy taorian’ny fakana am-bavany azy.

 

 

 Ny 14 febroary dia polisy avy any Toamasina nanao fakana am-bavany tamina resaka taratasim-bola tsy misy antoka na “chèque sans provision”. Tsy mpanasonia io seky tsy nisy antom-bola io izy, fa mpanjifa na “client”, ary tsy mbola tonga tao amin’ny banky ny vola tokony haloan’io olona tompon’ny seky io, kanefa noterena fotsiny Atoa Mbola Rajaonah hoe ao amin’ny orinasany io, raha ny fanazavan’i Berija Ravelomanantsoa. Afaka madiodio tamin’io raharaha io noho izany izy raha ny didim-pitsarana omaly. Raha ny tantara, rehefa tonga tany amin’ny PAC (Pôle anti-corrumption) izy ny volana febroary, dia nivadika ho vesatra hafa hanenjehana azy nolazaina fa tsy ilay resaka seky, ka nivadika ho resaka famotsiam-bola, hosoka ara-ketra sy fandikan-dalàna tamin’ny ladoany na “infraction douanière”, izay taratasy nifandiso tany amin’ny ladoany efa tamin’ny taona 2015 satria izy manana “Transit Tafaray” misehatra amin’ny resaka fampidirana entana avy any ivelany, hoy hatrany i Berija Ravelomanantsoa. Raha ny lalàna, dia naman’ny dosie mikatona rehefa tsy misy tohiny ao anatin’ny 3 taona izany, ka nilazan’ity farany fa tsy mitombina ny fanenjehana azy. Ho an’ireo manodidina azy, dia ambadika politika ny fanenjehana noho izy tao anatin’ny fanjakana HVM avy eo niaraka tamin’i Marc Ravalomanana. Efa nantsoin’ny mpitondra ankehitriny hiara-dia aminy tamin’ny fifidianana filoha farany teo raha ny resaka efa nataony, saingy nisafidy ny hanohana an’i Marc Ravalomanana. Mbola naverina indray any am-ponja ity mpandraharaha ity taorian’ny fitsarana omaly miandry ny fitsarana ny vesatra hafa. Ho afa-bela ve ity mpandraharaha vao erotrerony ity sa tsy hahita mangirana mandra-pialan’ny fanjakana ankehitriny eo amin’ny fitondrana ? Toa mifangaro amin’ny politikam-panjakana milaza fa miady amin’ny kolikoly hakana ny fon’ny mpamatsy vola ihany koa ny toe-javatra tahaka izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT