Actualités

Maud Vuyelwa Dlomo Sarotra ny Fampihavanam-pirenena


  • Sabotsy 28 Janoary 2017

Teboka nisongadina teo amin’ny fiaraha-miasan’i Afrika Atsimo sy Madagasikara hatramin’ny taona 2016 ny fankalazana ny fifandraisana ara-tantara sy ny fanomezana fanampiana,

  ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’i Nelson Mandela, ny fifandraisana ara-toekarena ary ny lafiny ny kolontsaina sy ny fizahantany. Hohamafisina kokoa ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ireo sehatra roa farany ireo amin’ity taona vaovao 2017 ity. Eo ihany koa ny fijerena manokana ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ary ireo oniversitem-panjakana 6, hoy ny masoivohon’ity firenena miasa sy monina eto Madagasikara ity, Maud Vuyelwa Dlomo, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany Ivandry omaly. Bainga voavadika teo anatrehan’izao tontolo izao manokana moa ny nahatontosan’ny firenena Malagasy ireo hetsika iraisampirenena toy ny fihaonana tampon’ny Comesa ny volana oktobra sy ny Frankofonia ny volana novambra ary ny fikaonandohan’ireo mpamatsy vola ny volana desambra 2016. Hita soritra ihany koa ny fahavononan’ireo mpisehatra politika hanarina ny firenena tamin’ny alalan’ny dinika nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ho fanamafisana ny demokrasia sy ny fametrahana ny fahamarinan-toerana, araka ny fanampim-panazavany. Miankina tanteraka amin’ny vahoaka Malagasy kosa anefa ny fahombiazan’ny fampihavanam-pirenena sy ny fiarahamonina milamina hisitrahana ny tena fampandrosoana izay dingana sarotra sy lava, araka ny fanamarihan’ny diplomaty afrikanina tatsimo.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT