Maty tampoka tany Paris –Frantsa omaly maraina i Alexendra Smith, fofombadin’i Mamy Rakotoarivelo.
Nanamafy sy nanamarina izany ity filohan’ny kongresin’ny Tetezamita teo aloha ity rehefa nitafana fohy tamin’ny alalan’ny antso an-tariby. Tsy nety niresaka betsaka manodidina izao fahafatesana tampoka izao kosa ny tenany. Araka ny efa nambarany tamin’ny fihaonan’Atoa Mamy Rakotoarivelo farany tamin’ny mpanao gazety tao an-tokantranony dia ny volana febroary taona 2016 no saika hanatontosana ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo no izao i Alexandra nandao ny tany tampoka tao anatin’ny fahatanorany izao. Tsiahivina fa i Alexandra Smith no fofombadin’Atoa Mamy Rakotoarivelo nampahafantariny ny fiarahamonina tamin’ny fomba ofisialy taorian’ny nisarahany tamin’i Juliana Andriambelo, tale jeneralin’ny gazety Midi Madagasikara izay vadiny voalohany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.