Mety hangadihady ny toerana natokana ho an’ireo masoivoho sy fikambanana iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara mandritra ny matso hotanterahana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 26 jona ho avy izao.
Tsy mbola nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mantsy ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, ka mbola miato avokoa ireo fiaraha-miasa rehetra amin’ny any ivelany. Miandry ny fahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy politika rehetra sy ny fahavitan’ny fifidianana madio sy mangarahara ny avy any ivelany vao hanaiky ny fitondrana tetezamita mijoro eto. Vao ny faran’ny herinandro teo no nanamafy ny masoivoho alemana fa tsy mbola eken’izao tontolo izao ny fitondrana misy eto Madagasikara, ary miandry ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana, na ny fahavitan’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, vao mety hiverina izany fankatoavana izany. Araka ny tsiliantsofina re misy diplaomaty vazaha iray miezaka mitety ireo masoivoho hafa eto amintsika mandresy lahatra azy ireo mba hanatrika ny matson’ny 26 jona eny Mahamasina. Anisan’ny paikady nentina nandresena lahatra tamin’izany, ny hoe tsy misy resaka politika mihitsy io fa fetim-pirenena nahazoana ny fahaleovantena sy fetin’ny foloalindahy.
Raha ny fahafantarana azy anefa dia tsy naharesy lahatra ireo masoivoho vahiny teto amintsika izany, na dia eo ihany aza ireo masoivoho mety ho avy hanatrika eny Mahamasina tahaka ny an’i Sénégal sy Pakistan ary Tiorkia. Tsy mbola fantatra koa na ho avy hanatrika ny matso ny an’i Frantsay na tsia. Ny azo antoka aloha dia tsy hisy mihitsy ireo masoivoho ho avy eny Mahamasina, ny sabotsy izao raha tsy nisy ny fifanarahana teo amin’ireo ankolafy politika eto amintsika momba ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra. Noho ny fahalalam-pomba, anefa dia mety handefa solontena ihany ireo masoivoho ireo. Etsy an-kilan’izay moa dia efa nilaza ny ministry ny raharaham-bahiny fa tsy midika ho fankatoavana ny fitondrana tetezamita ny fanatrehan’ireo masoivoho ny matso eny Mahamasina, ary tsy dia midika inona koa ny tsy fahatongavan’izy ireo, fa afaka mitotorebika amin’ny fankalazana ny fetim-pireneny foana ny Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.