Actualités

Matin’ny moto teny Antanimena Tsy nisy mpiraharaha ilay olona maty voadona


  • Zoma 25 Jona 2010


Dimy andro lasa izay no nitranga ity lozam-pifamoivoizana teny Antanimena ity. Raim-pianakaviana iray no maty teo no ho eo rehefa avy nodonin’ilay moto mpisava lalana ny filohan’ny FAT. Araka ny fantatra omaly teo ny anivon’ny fianakavian’ny maty dia tsy nisy mpiraharaha mihitsy ilay raim-pianakaviana maty ity. «Na dia famangiana amin’ny maha olombelona aza tsy nataon’ireo. Marina fa mety ho manana ny hadisoany ny havanay maty araka ny filazan’ireo FAT saingy tsy amintsika Malagasy intsony ilay hoe ny Malagasy tsy miady amim-paty», hoy ireo havan’ny maty.

Raha tsiahivina dia ny alahady teo no nitranga ity loza ity. Voalazan’ireo teo amin’ny manodidina nahita ny loza fa tena nandeha mafy ilay moto rehefa nidina avy any Antanimena ambony hihazo iny lalana mankany amin’ny Foibe ara-kolontsaina amerikanina iny. Rehefa avy nandona ilay olona teo akaikin’ny fivarotana akanjo sy kiraro ilay moto dia mbola lasa ihany. Nandona fiara Super 5 nijanona tamin’ny sisiny indray avy eo. Mbola nifaoka olona iray hafa indray 50 metatra taty aoriana.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT