Actualités

Matérnité Befelatanana Nisy namotika ny fiaran’ny dokotera telo


  • Talata 26 Oktobra 2010

Nokapohina vato ary potika avokoa ny fitaratry ny fiara telo izay nipetraka tao amin’ny matérnité Befelatanana. Ny alin’ny alahady teo no nitrangan’izany, araka ny fanazavana azo teny an-toerana.

Olona maromaro no niditra tao ka nanatontosa an’izany. Nisy tamin’ireo no nampiresaka ny mpiambina ary nisy ny tonga dia tany anatiny, toy ireny handeha hamangy marary na koa mpiandry marary ireny. Ireo tao anatiny no namotika ny fiara. Vita izay dia niala tsimoramora teo amin’ilay toerana ireo, toy ny tsy nisy na inona na inona. Mbola ny alin’ny alahady io ihany koa no nirehitra ny fitahirizan’entana tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Kila tao ny entana maromaro izay ilaina amin’ny fanadiovana ny hopitaly.

Tsy fantatra mazava hatreto ny niandohan’ny afo saingy efa malaza eo anivon’ny mpitsabo fa niniana nodorana io trano io. Mifanindry rahateo ilay lera tamin’ilay fanimban-javatra tao amin’ny matérnité sy ilay hain-trano tao amin’ny hopitaly, hany ka mainka koa niraikitra tao amin’ny sain’ireo fa ny toeram-pitsaboana indray izao no ataon’ny mpanakorontana lasibatra. Omaly ary dia fantatra fa samy nandray fepetra manoloana ny zava-misy avokoa ny toeram-pitsaboana tsirairay. Anisan’izany ny Hjra izay nalaza be fa hoe io indray no hidiran’ireo mpanakorontana manaraka. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT