Otra manasitrana aretina maro ny massothérapie raha araka ny fanazavan-dRazafimamonjy Mamitiana, filoha nasionalin’ny massothérapeute eto Madagasikara.
Ankoatra ireo aretina efa mipetraka any amin’ny taovan’olombelona toy ny vavony, ny aty, ny fiakaran’ny tosidra dia misoroka ireo aretina maro vao mitady ho tonga ihany koa ny otra, anisan’ireny ny gripa mahery, ny kohoka… Mbola betsaka anefa no tsy mahalala azy io eto amintsika. Tsy otra tsotra mantsy ny massothérapeute fa mampiasa fitaovana fanorana toy ny hazo ka ireo faritra mifanandrify amin’ilay aretina( point) no tena henjehiny. Nampahafantatra ity karazana otra iray ity tamin’ny mpiara-belona ny fikambanana omaly tetsy amin’ny BMH Isotry. Tafiditra tao anatin’izany ny fitsinjovana manokana ireo zokiolona miisa 120 eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ho fandraisana an-tanana ny fahasalaman’izy ireo. Nisy koa ny fandraisana ireo olon-kafa tamin’ny sarany mirary dia mirary ankoatra ny fampivondronana ireo mpanotra manana cabinet tsy anatina fikambanana ara-dalàna.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.